Telo vongany
Vous souhaitez réagir à ce message ? Créez un compte en quelques clics ou connectez-vous pour continuer.

Fitsipi-pifehezana (charte du forum)

Aller en bas

Fitsipi-pifehezana (charte du forum) Empty Fitsipi-pifehezana (charte du forum)

Message  Poumpouny Ven 12 Fév - 19:00

Fitsipi-pifehezana

Marahaba anao tongasoa eto amin’ny Forum Telo Vongany.
Ity forum ity dia natao mba hifanampiana sy hifampizarana traikefa momba ny tontolon’ny 3D sy ny mifandray aminy. Mba tsy hampikorotana sy hifanajana ary mba tena hahatonga ity toerana ity hoe tena toeram-panabeazana tokoa dia ireto misy fepetra maromaro tsy maintsy harahina raha hiditra ho mpikambana amin’ity forum ity ianao.

1 – Ny mpanivana (Moderateur) dia manana zo feno hanova, hamindra, na hamafa tanteraka ny valan-dresaka tsy mifanaraka amin’ny santam-pifampifehezan’ny forum. Ary koa manana zo handrara tsy hiditra (banir) ireo mpikambana na mpitsidika tsotra raha toa ka ilaina ny fampiharana izany.

2 – Ny mpikambana tsirairay dia manaiky fa :
- Hifanaja hatrany eo amin’ny fomba fifandraisana.
- Tsy hiresaka zavatra izay voararan’ny lalana velona toy ny Halatra, Fidorohana zava mahadomelina, fanavakavaham-bolon-koditra, fiantsiana sy fanakorotanana isan-karazany…
- Hanamarina tsara ny zavatra ho lazainy

3 - Mba hialana amin’ny fioharam-pefy de tsara raha tsy miresaka Politika, Fivavahana ary Firazanana eto raha tsy hoe tena misy zavatra tsy maintsy hiresahana ireo , tsy manafotohana an’iza na iza, ary misy hifandraisany amin’ny 3D

4 - Koa satria moa tsy ary ho voasivana daholo ny resaka mandeha eto dia manaiky ny tsirairay avy fa tompon’andraikitra feno amin’izay fahamarinana na tsia ny zavatra voalaza eto, ary miala ho tsy azo henjehina ny tompony na ny mpikirakira ity forum ity raha sendra ka misy zavatra tsy ara-dalana voalazan’ireo mpikambana.

5 – Mba hanamora ny fitadiavana sy hahatsara kokoa ny fahalalana tovozina ato amin’ity forum ity dia voarara ny fampiasana fanafohezan-teny (language sms) eto amin’ny forum manontolo.

6 – ny fidirana ho mpikambana dia midika mazava ho azy fa manaiky ireo fitsipika ireo ianao

Koa mba hahatsara hatrany ny fifampitaizana eto dia matoky ny fahendren’ny tsirairay izahay mpikirakira ny tranokala.

Ny Ekipa Mpikirakira eto amin’ny Telovongany.
Misaotra Tompoko.
Poumpouny
Poumpouny
Admin

Messages : 386
Date d'inscription : 11/02/2010
Age : 38
Localisation : Madagascar

http://www.laygraphics.com

Revenir en haut Aller en bas

Revenir en haut


 
Permission de ce forum:
Vous ne pouvez pas répondre aux sujets dans ce forum